Actualités > TONTOSA TAO AMIN' NY LAPAN' NY TANANA...

TONTOSA TAO AMIN' NY LAPAN' NY TANANAN' I MAHAJANGA NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA IVELAN' ANTANANARIVO

𝟬𝟲 𝗺𝗮𝗿𝘀𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟱 - Tontosaina ao amin’ny Lapan'ny Tanànan'i Mahajanga io tolakandro io ny Filan-kevitry ny Minisitra ivelan'Antananarivo izay tarihin'ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra ary andraisan'ireo minisitra sasantsasany anjara. Mandray anjara amin'izao Filan-kevitry ny Minisitra izao ihany koa ireo Solombavambahoaka sy tompon’andraikim-panjakana ao an-toerana.
Manakaiky vahoaka eny ifotony ny Governemanta mba hanomezana vahaolana tena mipaka amin’ny andavanandrom-piainan'izy ireo. Anisan'ny lahadinika hojerena mandritra izany Filan-kevitry ny Minisitra ao Mahajanga izany ny fanajariana ny lalam-pirenena faha-efatra sy ny lalana ao an-tampon-tanànan'ny renivohitry Boeny. Eo ihany koa ny fanajariana ny seranan-tsambon'i Mahajanga izay anisan'ny miantoka ny fivezivezen'ireo sambo amin'iny tapany andrefan'ny Nosy iny. Ary indrindra hodinihina ihany koa ireo tetikasa entina hampandrosoana ireo vondrom-bahoakam-paritra intsinjaram-pahefana

TONTOSA TAO AMIN' NY LAPAN' NY TANANAN' I MAHAJANGA NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA IVELAN' ANTANANARIVO
TONTOSA TAO AMIN' NY LAPAN' NY TANANAN' I MAHAJANGA NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA IVELAN' ANTANANARIVO
TONTOSA TAO AMIN' NY LAPAN' NY TANANAN' I MAHAJANGA NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA IVELAN' ANTANANARIVO
TONTOSA TAO AMIN' NY LAPAN' NY TANANAN' I MAHAJANGA NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA IVELAN' ANTANANARIVO
TONTOSA TAO AMIN' NY LAPAN' NY TANANAN' I MAHAJANGA NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA IVELAN' ANTANANARIVO
Publie le 07/03/2025 Par 451512 Categorie: Actualités