๐ฌ๐ฒ ๐บ๐ฎ๐ฟ๐๐ฎ ๐ฎ๐ฌ๐ฎ๐ฑ - Tontosaina ao aminโny Lapan'ny Tanร nan'i Mahajanga io tolakandro io ny Filan-kevitry ny Minisitra ivelan'Antananarivo izay tarihin'ny Filohanโny Repoblika sy ny Praiminisitra ary andraisan'ireo minisitra sasantsasany anjara. Mandray anjara amin'izao Filan-kevitry ny Minisitra izao ihany koa ireo Solombavambahoaka sy tomponโandraikim-panjakana ao an-toerana.
Manakaiky vahoaka eny ifotony ny Governemanta mba hanomezana vahaolana tena mipaka aminโny andavanandrom-piainan'izy ireo. Anisan'ny lahadinika hojerena mandritra izany Filan-kevitry ny Minisitra ao Mahajanga izany ny fanajariana ny lalam-pirenena faha-efatra sy ny lalana ao an-tampon-tanร nan'ny renivohitry Boeny. Eo ihany koa ny fanajariana ny seranan-tsambon'i Mahajanga izay anisan'ny miantoka ny fivezivezen'ireo sambo amin'iny tapany andrefan'ny Nosy iny. Ary indrindra hodinihina ihany koa ireo tetikasa entina hampandrosoana ireo vondrom-bahoakam-paritra intsinjaram-pahefana