Notontosaina io hariva io teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fanendrena ireo mpikambana voalohany eo anivon’ny Governemanta vaovao. Noraisina araka izany ny didim-panjakana laharana faha 2025 - 1037 tamin'ny 07 oktobra 2025 manendry amin'ny ampahany ny mpikambana eo anivon’ny Governemanta:- Minisitry ny Foloalindahy Général de Division DERAMASINJAKA Manantsoa Rakotoarivelo- Minisitry ny Filaminam-bahoaka Controleur Général de Police RANDRIAMBELO Mandimbin'ny Aina- Minisitra Delege miadidy ny Zandarimariam-pirenena Général de Corps d'Armée RAKOTONDRAZAKA Andriatsarafara Andriamitovy