Actualités > BEFOTAKA-ATSIMO - HAINTRANO

BEFOTAKA-ATSIMO - HAINTRANO


Nitrangana haitrano mahatsiravina tao amin'ny Kaominina BEFOTAKA ny alin'ny Alatsinainy 19 OKTOBRA,tokony ho tamin’ny 12 ora sy 05 minitra alina, ary tamin’ny 3 ora sy 45 minitra maraina vao voafehy tanteraka ny afo.
Niara-nisalahy ny fokonolona sy ny Kaominina tamin’ny famonoana ny afo.
Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo an-toerana, trano fonenana sy tsena no may.
VOKANY:
-trano may: 48
- olona traboina: 215
-ankizy sy mpianatra : 108
Mbola tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny loza amin’izao fotoana izao, saingy efa eo am-panaovana fanadihadiana ny manam-pahefana.
Ampitaina ho an’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany mba hijerena izay tantsoroka hamonjena ireo vahoaka very fananana sy rava trano fonenana.
Manentana antsika ihany koa amin'ny fanampiana amin’ny endriny rehetra avy amintsika!
DLCC BEFOTAKA Atsimo | Fitaleavam-paritra Serasera sy Kolontsaina Atsimo.Atsinanana

BEFOTAKA-ATSIMO - HAINTRANO
BEFOTAKA-ATSIMO - HAINTRANO
BEFOTAKA-ATSIMO - HAINTRANO
BEFOTAKA-ATSIMO - HAINTRANO
BEFOTAKA-ATSIMO - HAINTRANO
Publie le 22/10/2025 Par 451512 Categorie: Actualités