Nandritry ny fandalovany tany amin'ny faritra Menabe, dia tsy nanadino nitsidika sy nitafa tamin'ireo mpiara-miasa ao amin'ny fitalevam-paritry ny serasera sy kolontsaina ny Minisitra Mara Donna, nampahery sy nifampizara tamin'izy ireo ny lalan-tsaina entina hampiroboroboana ny kolontsaina sy mampiasa ny serasera ho fitaovana ho an'ny tena fampandrosoana.
Nanolotra fitaovana ho an'ny rantsan'ny TVM ao Morondava ihany koa Ramatoa Minisitra hanampiana azy ireo hanatsara ny kalitaon'ny vaovao avy any an-toerana.