Natomboka androany ny fihainoana ireo tolo-kevitra avy amin’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny serasera sy ny kolontsaina ho an’ireo avy any amin’ny Faritra manerana ny Nosy.Tonga nitarika sady nandray anjara tamin’ity fivoriana fakan-kevitra ity ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina GASCAR Fenosoa tamin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra.Nandray anjara tamin’izany fivoriana ampitain-davitra izany avokoa ny Fitaleavam-paritra rehetra niaraka tamin’ireo mpisehatra isam-paritra.Mialoha izao fihaonana izao dia efa nisy ny asa savaranonando nataon’ireo mpisehatra isam-paritra toy ireo fikambanan’ny mpanao gazety, firaisamonim-pirenena sy ireo matihanina amin’ny tontolon’ny serasera sy ny kolontsaina eny anivon’ny faritra ka naravona isaky ny Fitaleavam-paritra. nifanakalozan-kevitra nanomboka tamin’ity androany ity.Nohavaozina ny fomba fiasa eto amin’ny ministera hoy ny Minisitra ka ny hevitra avy any ifotony no nangonina mba hanomezan-danja azy ireo.Hisy ny fandravonana ireo hevitra nivoitra nandritra ny fakan-kevitra ary hampiarahina amin’ny fakan-kevitra ho tanterahina ao Antananarivo renivohitra ny Zoma faha 7 Novambra, aorian’izay no hanolorana ny volavolan-dalàna ho dinihina eny anivon’ny Antenimierampirenena.