ππππππππππππ π ππ₯π² πππ‘ππππ§π’π«π’π§π, ππππππ πππ§ππ‘π¦, izy no πππ₯π πππ§ππ«ππ₯π’π§βπ§π² πππ«ππ¬ππ«π eo anivonβny Ministeranβny Serasera sy ny Kolontsaina araka ny fanendrena nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ny Alarobia teo.Taorianβny famindram-pitantanana natao androany teo aminβny Tale Jeneraly teo aloha sy ny tenany, dia mandray ny asany avy hatrany manomboka androany ny Tale Jeneraly πππ‘πππ, anarana ahafantaranβireo mpanao gazety maro azy nandritra izay 20 taona nanaovany asa fanaovan-gazety izay.Ny fianakaviambenβny minisitera manontolo dia miarahaba sy mirary fahombiazana feno ho anβAndriamatoa Tale Jeneraly.