Actualités > KAOMINA MIISA 19 AO AMBATOLAMPY NO AF...

KAOMINA MIISA 19 AO AMBATOLAMPY NO AFAKA HANJOHY NY TVM SY RNM INDRAY

𝐓𝐚𝐩𝐚𝐭𝐚𝐩𝐚𝐤𝐚 nandritra ny fotoana maharitra ny 𝐟𝐚𝐡𝐢𝐭𝐚𝐥𝐚𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐚𝐬𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐲 sy ny 𝐑𝐚𝐝𝐢𝐨𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 ho an’ny Distrikan’Ambatolampy ka niteraka fahasahiranana ho an’ny vahoaka noho ny tsy fahafahana misitraka ny zo fototra hahazo vaovao amin’ny haino aman-jery.Ao anatin’ny andraikiny dia nidina ifotony nitondra vahaolana ny Minisitra 𝐆𝐀𝐒𝐂𝐀𝐑 𝐅𝐞𝐧𝐨𝐬𝐨𝐚 sy ny mpiara-miasa eo anivon’ny minisitera ka nanolotra 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 mba hamerenana amin’ny laoniny ny TVM sy RNM ao Ambatolampy.Nahazo fitaovana vaovao hahafahany manatsara ny asa ny Delegen’ny Serasera ao Ambatolampy RAKOTONDRAMAVO Roger Guy Rolland Njaka, izay nisedra olana teo am-panatanterahana samy irery ny asany noho ny tsy fahalavorarian’ireo fitaovana nampiasaina teo aloha, ka izao notolorana caméra vidéo numérique, Pieds Caméra, Table de mixage Audio 8 pistes, Micro Studio avec anti-pop, Imprimante couleur, Onduleur, Speaker Edifier, Table de bureau, chaise de bureau.Miezaka mamaha olana haingana sy manatsara ny fomba fiasa mba hamaliana ny hetahetam-bahoaka araka ny lalantsaina voizina ato anatin’izao Repoblikan’ny Fanavaozana izao hoy ny minisitra nandritra ny lahateny nataony. Tao anatina lanonana tsotra nefa manan-danja no nanatanterahana ity fidinana ifotony ity ho fanajana ny toromarika avy amin’ny Governemanta momba ny fitsitsiana araka ny fampahafantarana avy amin’ny Minisiteran’ny Atitany.Nisolo-tena ireo rafim-panjakana mahefa ny Lehiben’ny Distrikan’ Ambatolampy ANDRIASY Vonjy Maminjanahary , raha ny Solombavambahoaka RAZAFIMAHEFA Tiana voafidy tao Ambatolampy no nisolo-tena ny vahoaka tao an-toerana sy ireo kaomina miisa 19 mandrafitra ny Distrika.Ao anatin’ny fanomezan-danja ny fiaraha-miasa ety ifotony izay fotom-pisain’ny fanavaozana dia tsy adinon’ny minisitra ny nanolotra fisaorana ny Kaomina Ambonivohitra Ambatolampy notarihin’ny Ben’ny Tanàna RAKOTOMALALA Dimbiniavo Mika, noho ny fiaraha-miasa izay nanomezany ny trano fiasàna ho an’ny Haino amanjerim-pirenena eto an-toerana.Eo amin’ny lafiny 𝒌𝒐𝒍𝒐𝒏𝒕𝒔𝒂𝒊𝒏𝒂 mampiavaka ny faritra Vakinankaratra, indrindra fa ny ao Ambatolampy dia hisy ny fiaraha-miasa miaraka amin’ny minisitera sy ireo mpikarakara ny 𝑭𝒆𝒕𝒚 𝑴𝒊𝒎𝒐𝒛𝒂 mba hamerenana ny lazan’ity hetsika amin’ny 𝗵𝗮𝘇𝗮𝗸𝗮𝘇𝗮-𝘁𝘀𝗼𝗮𝘃𝗮𝗹𝘆 miampy fety aman-danonana nahafantarana an’Ambatolampy ity ka hiahy mivantana izany ny minisitra. Ankoatra ireo tompon’andraikitra ambony avy eo anivon’ny 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗦𝗲𝗿𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗞𝗼𝗹𝗼𝗻𝘁𝘀𝗮𝗶𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗢𝗥𝗧𝗠 dia tonga nanotrona ity lanonana fampitaovana ity ihany koa ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Vakinankaratra BAKOHARIMANANA Nirina, izay misahana ity Distrika ity.

Publie le 01/12/2025 Par 451512 Categorie: Actualités