Actualités > NOHAVAOZINA NY FITAOVAN'NY TVM AO FEN...

NOHAVAOZINA NY FITAOVAN'NY TVM AO FENOARIVOBE.


𝙈𝙞𝙙𝙞𝙣𝙖 𝙞𝙛𝙤𝙩𝙤𝙣𝙮 mamaha olana isam-paritra ireo tompon’andraikitry ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’ny alalan’ny ekipan’ny 𝗢𝗥𝗧𝗠.Tapaka nandritra ny iray volana mahery teo ny 𝐟𝐚𝐡𝐢𝐭𝐚𝐥𝐚𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐚𝐬𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐲 ho an’ny Distrikan’i 𝗙𝗲𝗻𝗼𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼𝗯𝗲 ka niteraka fahasahiranana ho an’ny vahoaka noho ny tsy fahafahana misitraka ny zo fototra hahazo vaovao amin'ny fahita lavitra.Omaly Zoma 05 Décembre 2025 dia nidina ifotony nitondra vahaolana ny ekipan'ny Ministeran’ny serasera sy ny Kolontsaina, izay notarihin'ny Tale Jeneralin’ny ORTM 𝑳𝑬𝑴𝑨𝑵𝑨 𝑬𝒍𝒚𝒔𝒆́𝒆, niaraka tamin’ny Talen’ny Radio Madagasikara RNM 99.2 MHz , ny Tale Tek’ika DIT, ary ireo tompon’andraikitra sy teknisianina. Ka nanolotra 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 mba hamerenana amin’ny laoniny ny TVM ao amin'ity distrika ity.Notsirihina tamin’izany fitsidihana izany ireo fitaovana teknika rehetra, mba handrefesana ny fahasimbana misy sy ny filàna amin’ny 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂 hatao.Nisy ihany koa ny fanomezana sy fanaterana 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 ho fanatsàrana ny kalitaon’ny fandrakofana sy ny fampielezam-peo ao amin’ny faritra, ka anisan'ny fitaovana tamin'izany ny Émetteur sy ny Antenne.Ny tanjona dia ny 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 hatrany ny 𝐤𝐚𝐥𝐢𝐭𝐚𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐬𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚, hanamafisana ny fandraisana fandaharana amin’ny fahitalavitra sy onjam-peo, ary hanohanana ny asa ataon’ireo sampandraharaha any ifotony.Maneho fisaorana sy fankasitrahana hoan'ny Minisitra 𝐺𝐴𝑆𝐶𝐴𝑅 𝐹𝑒𝑛𝑜𝑠𝑜𝑎 sy ny ekipany ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao 𝐁𝐨𝐧𝐠𝐨𝐥𝐚𝐯𝐚 izay tarihin'i Tale-paritra ONJASOA Tantely Almondia, noho ny fanohanana matotra amin’ny fampivoarana ny tambajotra sy ny fotodrafitrasa ara-pifandraisana.

NOHAVAOZINA NY FITAOVAN'NY TVM AO FENOARIVOBE.
NOHAVAOZINA NY FITAOVAN'NY TVM AO FENOARIVOBE.
NOHAVAOZINA NY FITAOVAN'NY TVM AO FENOARIVOBE.
NOHAVAOZINA NY FITAOVAN'NY TVM AO FENOARIVOBE.
NOHAVAOZINA NY FITAOVAN'NY TVM AO FENOARIVOBE.
Publie le 08/12/2025 Par 451512 Categorie: Actualités