Actualités > NARESAKA NY FANKALAZANA NY ANDRO IRAI...

NARESAKA NY FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY TENINDRENY TANY TOAMASINA, RENIVOHITRY NY FARITRA ATSINANANA

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY TENIN-DRENY
TENIN-DRENY, FOTO-PAHALALANA SY FANDROSOANA
Ankalazaina ambany fitarihan'ny UNESCO amin'ity taona ity ny faha 25 taona anamarihana ny andro iraisam-pirenena anomezan-danja sy anandratana avo ny tenin-dreny izay manan-danja tokoa amin'ny olombelona sy olom-pirenena na avy aiza na avy aiza.
Ny 21 Febroary no tena datin'ny fankalazana, fa noho ny antony manokana dia ny Alatsinainy faha 24 Febroary no nomarihina izany tato amin'ny Mozea Vavitiana Ampasimazava.
Tanànan'ny karazam-piaviana maro miara-miaina ny eto Toamasina, koa nasaina manokana niara-nizara teto ny Betsileo avaratra, Betsimisaraka atsimo, Antandroy, Betsileo atsimo, Betsimisaraka avaratra.
Nahaliana tokoa ny nahafantatra sy nanovo fahalalana maroloko mikasika an'ireo foko sy zana-poko ireo. Tenin-dreny avokoa moa no nampiasain'ireo mpandray anjara:
- Antsan-tonokalo,
- Sombin-tantara,
- Fitantarana angano,
- Famakiana isa,
- Fanazavana mikasika vakoka sy haren-tsaina,
- sns sns...
Tonga maro ny solontenam-panjakana (Ramatoa SJ Faritra Atsinanana, Andriamatoa lefitry ny Fileovana Toamasina, Ramatoa DREN Atsinanana, Ramatoa Lehiben'ny Faripiadidiam-pampianarana Toamasina1...); Raiamandreny ara-drazana avy amin'ny Andriambo sy foko maro; ireo poeta mpikambana amin'ny Faribolana Sandratra Toamasina sy Brickaville; Vovonana sy fikambanana mpanakanto maro; tanora mpianatra avy amin'ny Oniversite sy Lisea...
Nitondra teny fisaorana avy amin'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina ny Talem-paritra, ary nanao antso avo fiarahamientana mba hanomezan-kasina hatrany ny tenin-dreny.
"SERASERA SY KOLONTSAINA: VATOFOTOTRY NY FAMPANDROSOANA"

NARESAKA NY FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY TENINDRENY TANY TOAMASINA, RENIVOHITRY NY FARITRA ATSINANANA
NARESAKA NY FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY TENINDRENY TANY TOAMASINA, RENIVOHITRY NY FARITRA ATSINANANA
NARESAKA NY FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY TENINDRENY TANY TOAMASINA, RENIVOHITRY NY FARITRA ATSINANANA
NARESAKA NY FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY TENINDRENY TANY TOAMASINA, RENIVOHITRY NY FARITRA ATSINANANA
Publie le 05/03/2025 Par 451512 Categorie: Actualités