Noraisin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina MARA Volamiranty Donna sy ireo fianakaviana Ampanjaka sy olobe ary ny komity momba ny fampodiana ny kabesonโny Ampanjaka Toera ny Filoha frantsay ๐ฌ๐๐๐๐๐๐๐ ๐ด๐๐๐๐๐ nandritra ny fitsidihana ny Rovan'i Madagasikara. Nosoniavina nandritra ity fitsidihana ity ny fampiharana ilay fifanaraham-piaraha-miasa amin'ny tontolon'ny mozea nataonโny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Malagasy sy ny Minisitry ny Kolontsaina Frantsay, Ramatoa RACHIDA Dati tany Paris ny 3 oktobra 2024.Izany dia mifantoka amin'ny fampiofanana momba ny fitantanana mozea, ny fikajiana ny harem-bakoka sy ny toerana miavaka.