Alarobia 14 May 2025Nigadona eto Toliara ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ramatoa vadiny, hanao fitsidihina ifotony hijery akaiky ireo tetikasam-pampandrosoana ho an'ny Faritra. Izany indrindra no antony hanatanterahana ny Filankevitry ny Minisitra fahatelo ivelan'Antananarivo ao Toliara io tolakandro io, hijerena manokana ireo tetikasa mbola mila hatao izay mamaly mivantana ny filàn'ny vahoaka. Ankoatran'ny Filankevitry ny Minisitra dia hisy ihany koa ireo fotodrafitrasa hatolotra ny vahoaka sy hetsika ara-tsosialy ho tanterahina mandritra ity dian'ny Filohan’ny Repoblika ity.