Actualités > RNM sy TVM

RNM sy TVM


Mitohy hatrany ny ezaka fanatsaràna ireo rantsamangaikan'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina isam-paritra.Taorian'ireo fampitaovana ho an'ny Fitaleavam-paritra Atsimo Andrefana ny herinandro teo dia anjaran'ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny  Kolontsaina ao Vakinankaratra tarihin-ny Talem-paritra BAKOHARIMANANA Nirina indray no nisitraka fanatsaràna ka nohavaozina ny "studio" ary napetraka ny " plateau" vaovao ho an'ny RTV (Radio Télévision Vakinankaratra) izay ahafahan'ny olom-pirenena manaraka ny vaovao samihafa sy ireo fandaharanavokarina avy amin'ny RNM sy TVM. Ho tohizana hatrany ny fanatsaràna ho an'ireo Fitaleavam-paritra rehetra manerana ny Nosy ary tsy misy ho adino araka ny nambaran'ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsàina Mara Donna .

RNM sy TVM
RNM sy TVM
RNM sy TVM
Publie le 27/05/2025 Par 451512 Categorie: Actualités