Nigadona eto Madagasikara ny Filohan’ny Repoblikan'i Slovénie, Ramatoa Nataša Pirc Musar, hanatanteraka fitsidihana ara-panjakana. Io hariva io no nigadona teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato miaraka amin'ireo delegasiona miaraka aminy izy.Hihaona amin'ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny tenany rahampitso 03 jona 2025.Maro ny fiaraha-miasa hataon'ny firenena roa tonta amin'ny alalan'ny fifanaovan-tsonia mandritra izao fivahinianany eto Madagasikara izao.