Tontosa androany ny fandraisana tamin’ny fomba ofisialy ny ampahany amin’ireo "BUS ELECTRIQUE" fiara fitateram-bahoaka izay vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny fanjakana Malagasy sy Chine amin'ny alalan'ny Orinasam-panjakana Foton.Nandray ireto fiara andiany voalohany ireto ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina ary isan’ny nanotrona azy tamin’izany niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina MARA Volamiranty Donna .Asa manodidina ny 1500 no hiforona amin'ny fandehanan'ireto fiara ireto ary efa mifanaraka amin'ny làlana sy ny zava-misy eto Madagasikara ny fampiasana azy. Koa hisy araka izany ny fanofanana manokana ireo mpamily sy ny mpikarakara amin'ny lafiny teknika ireo fiara.