Hisantarana ny "BUS ELECTRIQUE" dia misy ny fitaterana maimaimpoana miala eo Tsarasaotra mandrapahatonga eo amin'ny "jet d'eau" eny amin'ny Lac Iarivo, anio Alarobia 25 Jona 2025 manomboka amin'ny 12 ora atoandro.Rehefa mifarana ny "jet d'eau" dia tanterina daholo ny olona eo amin'ny Lac Iarivo mandrapahatonga eny Tsarasaotra. Hoy ny ampahany tamin'ny lahateny nataon'Andriamatoa Filoha Andry Rajoelina omaly :"300 no andiany voalohany amin'ny "bus électrique" ho tonga ary hisy ny ligne vaovao izay apetratsika. "Bus électrique" manokana no hanao io ligne io dia afaka andehanan'ireo olona andeha ho eny Ivato haka fiaramanidina, na izay tonga ka hamonjy ny any amin'ny Renivohitra.Ny "bus électrique" ho ampiasaintsika ireo, dia mila mpamily telo avy, izany hoe mpamily 48 no hiasa amin'ireo "bus électrique" ireo, ary 200 no isan'ny olona hiasa amin'io ligne iray io. Fa ny bus 300 dia mahatratra hatrany amin'ny 1500 no isan'ny asa vaovao hoforonintsika ao anatin'ny fampiasana izany "bus 100% électrique" izany.Maromaro ireo renivohi-paritany izay mbola hisitraka ity "bus" ity. Mendrika fitaterana madio sy manaraka ny fenitra isika ankehitriny ary manaja ny mpandeha rehetra."Antsika ary hajaintsika miaraka !#bus #électrique #fananana #iombonana