๐ณ๐๐๐๐'๐ ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐[๐ญ๐๐๐-24 ๐๐๐๐ 2025]Nanao dinikโasa manokana niaraka tamin-dRamatoa Constance Hamilton, tomponandraikitra ambony amerikana misahana an'i Afrika eo anivon'ny US-Trade Representative, izay eo ambany fifehezan'ny Filoha amerikana, ny Praiminisitra, Lehibenโny Governemanta Ntsay Christian, teto Luanda, Angola. Nifandinihina mivantana nandritra izany fotoana izany ny haban-tseranana 47% sy ny hoavinโny AGOA aorianโny volana septambra 2025. Noresahana lalindalina ny fiantraikanโireo teboka roa ireo eo aminโny toekarena sy ny lafiny sรดsialy. Nifandinihana ihany koa ny tokony hametrahana fomba fijery stratejika lavitrโezaka eo aminโny andaniny sy ankilany aminโny lafin'ny toekarena.Nankasitrahana ny dinika natao, satria samy nahatsapa ny roa tonta fa misy ny vahaolana mahomby sady maharitra izay naroso, mba hanatsarana hatrany ny fifaneraserana ara-barotra sy ny fisarihana ny fampiasam-bola eo sehatry ny indostria eo amin'i Madagasikara sy Etazonia. Hanaraka hatrany ny fivoaranโizao dinika natao izao sy ny fanapahan-kevitra rehetra hifanandrify aminโizany isika eto Madagasikara.๐ก๐ ๐ฆ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ
Alatsinainy 2 Martsa 2026