Actualitรฉs > FIFANDRAISANA ARA-BAROTRA EO AMIN' I...

FIFANDRAISANA ARA-BAROTRA EO AMIN' I MADAGASIKARA SY ETAZONIA

๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’'๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-24 ๐’‹๐’๐’๐’‚ 2025]Nanao dinikโ€™asa manokana niaraka tamin-dRamatoa Constance Hamilton, tomponandraikitra ambony amerikana misahana an'i Afrika eo anivon'ny US-Trade Representative, izay eo ambany fifehezan'ny Filoha amerikana, ny Praiminisitra, Lehibenโ€™ny Governemanta Ntsay Christian, teto Luanda, Angola. Nifandinihina mivantana nandritra izany fotoana izany ny haban-tseranana 47% sy ny hoavinโ€™ny AGOA aorianโ€™ny volana septambra 2025. Noresahana lalindalina ny fiantraikanโ€™ireo teboka roa ireo eo aminโ€™ny toekarena sy ny lafiny sรดsialy. Nifandinihana ihany koa ny tokony hametrahana fomba fijery stratejika lavitrโ€™ezaka eo aminโ€™ny andaniny sy ankilany aminโ€™ny lafin'ny toekarena.Nankasitrahana ny dinika natao, satria samy nahatsapa ny roa tonta fa misy ny vahaolana mahomby sady maharitra izay naroso, mba hanatsarana hatrany ny fifaneraserana ara-barotra sy ny fisarihana ny fampiasam-bola eo sehatry ny indostria eo amin'i Madagasikara sy Etazonia. Hanaraka hatrany ny fivoaranโ€™izao dinika natao izao sy ny fanapahan-kevitra rehetra hifanandrify aminโ€™izany isika eto Madagasikara.๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ

FIFANDRAISANA ARA-BAROTRA EO AMIN' I MADAGASIKARA SY ETAZONIA
FIFANDRAISANA ARA-BAROTRA EO AMIN' I MADAGASIKARA SY ETAZONIA
FIFANDRAISANA ARA-BAROTRA EO AMIN' I MADAGASIKARA SY ETAZONIA
FIFANDRAISANA ARA-BAROTRA EO AMIN' I MADAGASIKARA SY ETAZONIA
FIFANDRAISANA ARA-BAROTRA EO AMIN' I MADAGASIKARA SY ETAZONIA
FIFANDRAISANA ARA-BAROTRA EO AMIN' I MADAGASIKARA SY ETAZONIA
Publie le 27/06/2025 Par 451512 Categorie: Actualitรฉs