Tonga eto amin'ny Seranam-piaramanidina iraisampirenana eto Ivato koa, amin'izao fotoana izao, ny Filohanβny Repoblikanβi Afrika Atsimo, Andriamatoa Cyril Ramaphosa. Nandray azy tamim-panajana ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta Ntsay Christian. Mampiseho ny firahalahiana misy eo aminβny Filoha Andry Rajoelina sy ny Filoha Cyril Ramaphosa izany, ary maneho ny finiavanβi Afrika Atsimo hanitatra ny sehatra hampivoarana ny fifandraisana misy eo aminβny firenena roa tonta izao fahatongavany handray anjara aminβny Fihaonana an-tamponβny SADC izao.ππ² πππ«ππ¬ππ«π