"Koa aoka ny filamatry ny Repoblikan’i Madagasikara hiredona mafy ao am-ponareo tsirairay avy. Ary izany indrindra no nahatonga ny lohahevi-dehibe izay nosafidiantsika hankalazana izao fetim-pirenena izao, ary iombonan’ny Malagasy rehetra, dia ny fitiavana Tanindrazana no mitarika fandrosoana. 65 taona, tsy azo lalovam-potsiny izany fa mendrika fankalazana ho mariky ny fahamatorana ara-tantara. Kihon-dalana ihany koa maneho fahavononana hiatrika ho avy mamiratra, izay hilofosantsika ho an’ny Malagasy rehetra." hoy ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina androany nandritra ny fankalazana ny faha 65 taona niverenenan'ny Fahaleovantena an'i Madagasikara sy nijoroan'ny Foloalindahy Malagasy.Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Ramatoa MARA Volamiranty Donna.