Nanokafantsika ny ivon’izany fankalazana izany ny fiaraha-mifaly tety amin’ny Lac Iarivo. Nandravaka ny lanitra, nanome endrika hafakely ny farihy ary nampisoritra hafaliana sy tsikim-panantenana teny amin’ny rehetra ny loko fotsy, mena, maitso narahan’ireo jiro sy afomanga ary ny dihy mirindran’ny jet d’eau.65 taona niverenan’ny fahaleovantena, miroso amin’ny fivoarana i Madagasikara. Miara-mandroso anatin’ny firaisankina ny Malagasy.MIrary fetim-pirenena sambatra ho antsika mpiray Tanindrazana.