Manan-danja manokana ho an’ny firenena izao faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantena izao. Tsy navelantsika nandalo fotsiny fa nomarihantsika tamin’ny fiaraha-mientana tanatin’ny hafaliana sy firaisam-po.Feno haravoana ny fonay mivady niaraka nankalaza izany taminareo teny Mahamasina. Noporofoinareo fa tsy manaiky zarazaraina ny Malagasy. Ary ny fitiavan-tanindrazana ao anatintsika dia tsy resin'ny fankahalana fa mampifankatia sy mampiray antsika hatrany.Mankasitraka am-pitiavana anareo.