Nidina ifotony tao Ikongo, kaominina Ambatofotsy, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, MARA Volamiranty Donna, niaraka tamin'ny Minisitry ny fahasalam-bahoaka, Randriamanantany Zely sy ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, Razafinjato Aurélie.Nijery ny zava-misy marina eny ifotony mahakasika ny aretina tazomoka ao an-toerana izy ireo. Nanatona ny Ray aman-dreny ara-drazana tao an-toerana izy ireo amin'ny maha Ray aman-dreny toteny mba hanamafisana ny fanentanana ny vahoaka amin'ny fampiasana lay misy ody moka sy ny hanantonana tobim-pahasalamana ara-potoana.Maimaipoana tanteraka ny fitsaboana amin'ny tazomoka ary raisin'ny fitondram-panjakana an-tanana feno izany. Ampy tsara ny fanafody eny an-toerana ary efa nisy ny ekipa tekinika avy amin'ny Minisiteran'ny fahasalam-bahoaka manara-maso akaiky ny tranga.Nanentana hatrany ny amin'ny fizarana vaovao marina sy ofisialy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina MARA Volamiranty Donna. Nisy ihany koa ny hetsika ara-tsosialy natao tao an-toerana tamin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Mponina sy ny Firaisankina.