Hojerena manokana ireo asa mbola mila hatao mipàka mivantana amin’ny filàn’ny vahoaka ifotony sy ny fampandrosoana ny Faritra Matsiatra Ambony . Anisan'ny horesahana mandritra izany ny fanajariana ireo biraom-panjakana sy ny lalana an-tampon-tanàna, ny lalam-pirenena fahafito, ny fandriampahalemana, ny fampidirana rano fisotro madio.