ยซ ๐น๐๐ก๐๐ฃ๐๐๐-๐๐ ๐ ๐ฆ ๐๐๐ง๐๐๐๐-๐ก๐๐๐ โ๐ ๐๐โ๐๐ฆ ๐๐โ๐๐ฃ๐๐ฃ๐ฆ ๐ ๐ฆ ๐๐ฆ ๐ก๐๐ฃ๐๐ฃ๐๐ฃ๐ฆ ๐๐โ๐๐ก๐๐ ยป
"Tsy mila miady akory, hitovy amin'ny lehilahy.
Fantatra fa ny vehivavy dia vonona sy sahy.
Tsy misy toa azy, raha olona afaka izy,
Mizara ny mamy, mandresy ny mangidy.
Tsaroana anio koa ilay Ray izay nahary,
Satria ny vehivavy dia voafidin-janahary.
Raha tsy misy vehivavy, tsy ho foana ve ny tany ?
Kolokoloy ary izy ireo sy tohatohano hatrany."