[24 ๐๐ข๐ฏ๐ฐ๐ข๐ณ๐บ 2026]๐๐๐ข๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ค๐ก๐๐ฃ'๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐๐ง๐๐๐ ๐๐ง๐-๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐ผ๐ฃ๐ฉ๐จ๐๐ง๐๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐๐๐ฃ๐๐ค๐ฉ๐๐๐ฃ๐ ๐ผ๐๐ฟ๐๐๐ผ๐๐ผ๐ฟ๐๐๐๐, ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ฃ'๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐๐ฃ๐ฎ ๐ข๐๐ฃ๐๐ค ๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐จ๐ค๐ง๐ค๐ ๐, ๐๐๐ฉ๐จ๐๐ฃ๐๐ค๐ซ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐๐.Ministรจre du Commerce et de la Consommation Tany Antsirabe, any amin'ny Faritra Vakinankaratra, no nanatanterahan'ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MCC) ny toromariky ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, amin'ny fidinana ifotony ijerena ny zava-misy iainan'ny vahoaka, ahafahana manampy azy ireo.Tamin'ny alalan'ny Atrikasa tao amin'ny Efitrano malalaky ny Prefektioran'Antsirabe no nifanakalozany tamin'ireo mpivarotra mpamongady, mpaninjara, ary mpanafatra entana ka nanantitranterany ireo fepetra tsy maintsy raisina manoloana ny fisian'ny entana lany daty, ny fomba fitehirizana iantohana ny hatsarร n'ny entana, ary ny fametrahana ny vidin'entana ho hitan'ny mpanjifa.Fotoana koa io nampahatsiahivana ny andraikitry ny Minisitera misahana ny Varotra amin'ny fanatanterahana ny politikam-panjakana hisian'ny fifaninanana madio anatin'ny fanajร na ny Lalร na.Nahitsy ireo mpandraharaha tamin'ny fametrahana fanontaniana nanitikitika azy ireo toy ny fitadiavana lalam-barotra ho an'ny vokatra any amin'ny Faritra, sy ny fanamaivanana ny fepetra ahafahan'izy ireo manatanteraka ny asany.Nitohy avy hatrany tamin'ny fitsidihana ny tsenan'Asabotsy izany, izay nitsirihana ireo mpivarotra. "Misy ireo mpandraharaha ara-barotra izay mbola mila harenina mba hanaraka ny fepetra hitsinjovana ny mpanjifa. Nisy ny fanabeazana nataonay rehefa nidina tety", hoy ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON.Tamin'izao dia tany Antsirabe izao koa no nanolorany fanitso hanarenana ny takaitra navelan'ny haintrano ny volana Septambra tamin'ny taon-dasa tao amin'ity tsenan'Asabotsy ity. Nisolo vava ny mpivarotra, nankasitraka izany fihetsiky ny Minisitra misahana Varotra izany ny Lehiben'ny Tsena.Nanotrona ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana tamin'izany rehetra izany ireo manampahefana any an-toerana toy ny Solombavambahoaka, ny Lehiben'ny Faritra sy ny Prefen'Antsirabe ary ny Ben'ny Tanร na.Nambaran'ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON fa misokatra hatrany amin'ny rehetra ny Minisitera misahana ny Varotra sy ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) raha misy trangan-javatra mbola tokony hitadiavana vahaolana.