𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏'𝒊 𝑴𝒂𝒉𝒂𝒛𝒐𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐[𝑭𝒂𝒉𝒂-25 𝒋𝒂𝒏𝒐𝒂𝒓𝒚 2026]Manambana ny mponina eto amin'ny Fokontany Tolongoina, Kaominina ambanivohitr'Ampahitrosy, Distrikan'Antananarivo atsimondrano ny mety ho fahavakisan'ny fefilohan'i Sisaony ato anatin'ny ora vitsy raha toa ka mbola mitohy ny hamafisan'ny tosiky ny rano vokatry ny rotsak'orana.Nidina avy hatrany tety an-toerana ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, niaraka tamin'ireo delegasiaona notarihiny, nijery ny vahaolana maika isorohana ny loza mety hitranga amin'ireo tanàna manodidina. Mandray fepetra avy hatrany ny Fanjakana noho izany, hiarovana ireo mponina, hanarenana sy hanamafisana araka izay azo atao ity fotodrafitrasa ity. Efa mandray ny andraikitra manandrify azy avy ihany koa ireo rantsamangaika voakasika rehetra.Nandritra izany dia nanome toromarika mazava ny Praiminisitra, mba handraisana ireo fepetra maika rehetra satria laharampahamehana ho an’ny Governemanta hoy izy, ny fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fitadiavana vahaolana maharitra hisorohana ny tranga tahaka izao. Nanamafy ihany koa ny tenany fa hijoro hatrany ny Fanjakana, hanaraka akaiky ny fanarenana sy ny fanatsarana ny rafitra fiarovana amin’ny loza voajanahary, ho fiantohana ny filaminan’ny mponina.𝗡𝘆 𝗦𝗲𝗿𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮©️ Primature - Lapan'i Mahazoarivo