Actualitรฉs > MANAMBANA NY HO VAKY NY TOHADRANON' I...

MANAMBANA NY HO VAKY NY TOHADRANON' I TOLONGOINA : NIDINA TETY AN-TOERANA AVY HATRANY NY PRAIMINISITRA

๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’'๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-25 ๐’‹๐’‚๐’๐’๐’‚๐’“๐’š 2026]Manambana ny mponina eto amin'ny Fokontany Tolongoina, Kaominina ambanivohitr'Ampahitrosy, Distrikan'Antananarivo atsimondrano ny mety ho fahavakisan'ny fefilohan'i Sisaony ato anatin'ny ora vitsy raha toa ka mbola mitohy ny hamafisan'ny tosiky ny rano vokatry ny rotsak'orana.Nidina avy hatrany tety an-toerana ny Praiminisitra, Lehibenโ€™ny Governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, niaraka tamin'ireo delegasiaona notarihiny, nijery ny vahaolana maika isorohana ny loza mety hitranga amin'ireo tanร na manodidina. Mandray fepetra avy hatrany ny Fanjakana noho izany, hiarovana ireo mponina, hanarenana sy hanamafisana araka izay azo atao ity fotodrafitrasa ity. Efa mandray ny andraikitra manandrify azy avy ihany koa ireo rantsamangaika voakasika rehetra.Nandritra izany dia nanome toromarika mazava ny Praiminisitra, mba handraisana ireo fepetra maika rehetra satria laharampahamehana ho anโ€™ny Governemanta hoy izy, ny fiarovana ny ainโ€™ny vahoaka sy ny fitadiavana vahaolana maharitra hisorohana ny tranga tahaka izao. Nanamafy ihany koa ny tenany fa hijoro hatrany ny Fanjakana, hanaraka akaiky ny fanarenana sy ny fanatsarana ny rafitra fiarovana aminโ€™ny loza voajanahary, ho fiantohana ny filaminanโ€™ny mponina.๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎยฉ๏ธ Primature -  Lapan'i Mahazoarivo

MANAMBANA NY HO VAKY NY TOHADRANON' I TOLONGOINA : NIDINA TETY AN-TOERANA AVY HATRANY NY PRAIMINISITRA
MANAMBANA NY HO VAKY NY TOHADRANON' I TOLONGOINA : NIDINA TETY AN-TOERANA AVY HATRANY NY PRAIMINISITRA
MANAMBANA NY HO VAKY NY TOHADRANON' I TOLONGOINA : NIDINA TETY AN-TOERANA AVY HATRANY NY PRAIMINISITRA
MANAMBANA NY HO VAKY NY TOHADRANON' I TOLONGOINA : NIDINA TETY AN-TOERANA AVY HATRANY NY PRAIMINISITRA
MANAMBANA NY HO VAKY NY TOHADRANON' I TOLONGOINA : NIDINA TETY AN-TOERANA AVY HATRANY NY PRAIMINISITRA
Publie le 26/01/2026 Par 451512 Categorie: Actualitรฉs