Actualités > MADAGASIKARA SY NY FAO : FIARAHA-MIAS...

MADAGASIKARA SY NY FAO : FIARAHA-MIASA MIFOTOTRA AMIN' NY FAHAVITANTENA ARA-TSAKAFO

𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏'𝒊 𝑴𝒂𝒉𝒂𝒛𝒐𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐[𝑭𝒂𝒉𝒂-24 𝒋𝒐𝒍𝒂𝒚 2025]Noraisin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian, teto amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany atoandro, Andriamatoa QU Dongyu, Tale Jeneralin’ny Fikambanana iraisampirenena misahana ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO) avy any Roma sy ny delegasiaona notarihiny. Nanatrika ny fihaonana koa ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Andriamatoa HAJARISON François Sergio.Nisongadina nandritra ny dinika ny hanatsarana bebe kokoa ny fiaraha-miasa ho amin’ny fahavitantena ara-tsakafo eto amintsika. Nanamafy ny Praiminisitra, fa ilaina ny fametrahana fomba fiasa stratejika mahomby miaraka amin’ny FAO, mba ahitana vokatra mivaingana sy azo tsapain-tanana amin’ny sehatra marolafy, toy ny fanitarana ny tany ambolena amin’ny alalan’ny fanondrahana, ny fahaizana mifehy sy mametraka rafi-pamokarana matanjaka, ny famokarana masomboly sy zezika voafantina sy ambony kalitao eto an-toerana, ary ny fampiakarana ny taham-pamokarana; ka hiteraka fidiram-bola misimisy kokoa ho an’ny tantsaha sy ny mponina eny amin’ny tontolo ambanivohitra.Nanambara moa ny Tale Jeneralin’ny FAO, fa vonona izy hanamafy sy hanitatra ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara, ka hampifanaraka izany amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana sy ireo laharampahamehana napetraky ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina.𝐍𝐲 𝐒𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚

MADAGASIKARA SY NY FAO : FIARAHA-MIASA MIFOTOTRA AMIN' NY FAHAVITANTENA ARA-TSAKAFO
MADAGASIKARA SY NY FAO : FIARAHA-MIASA MIFOTOTRA AMIN' NY FAHAVITANTENA ARA-TSAKAFO
MADAGASIKARA SY NY FAO : FIARAHA-MIASA MIFOTOTRA AMIN' NY FAHAVITANTENA ARA-TSAKAFO
MADAGASIKARA SY NY FAO : FIARAHA-MIASA MIFOTOTRA AMIN' NY FAHAVITANTENA ARA-TSAKAFO
MADAGASIKARA SY NY FAO : FIARAHA-MIASA MIFOTOTRA AMIN' NY FAHAVITANTENA ARA-TSAKAFO
MADAGASIKARA SY NY FAO : FIARAHA-MIASA MIFOTOTRA AMIN' NY FAHAVITANTENA ARA-TSAKAFO
MADAGASIKARA SY NY FAO : FIARAHA-MIASA MIFOTOTRA AMIN' NY FAHAVITANTENA ARA-TSAKAFO
MADAGASIKARA SY NY FAO : FIARAHA-MIASA MIFOTOTRA AMIN' NY FAHAVITANTENA ARA-TSAKAFO
Publie le 25/07/2025 Par 451512 Categorie: Actualités