Nampidinin'ny Fitondram-panjakana Amerikanina ny tahan’ny haban-tseranana amin’ny vokatra avy aty Madagasikara. Lasa 15 % izany taorian’ny nanapahana azy ho 47 % tamin’ny volana aprily lasa teo. Nahomby ny adisisika nataon'ny Fitondram-panjakana Malagasy izay taratry ny haitarika ananan'ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina satriatombony lehibe ho an’ireo sehatra miankina amin’ny fanondranana toa ny lamba, ny lavanila ary ny harena an-dranomasina izao fanapahan-kevitra izao. Valin’ezaka iombonan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ity vokatra ity ary midika mazava ny fifampitokisana misy eo amin'ny Fitondram-panjakana Amerikana sy ny fitondram-panjakana Malagasy.