Ao anatin'ireo hetsika mandrafitra ny fihaonana an-tampony faha 45 an'ireo Filoham-panjakana sy Lehiben'ny Governemanta eo anivon'ny 𝐒𝐀𝐃𝐂 dia ho dinihina mandritry ny famelabelaran-kevitra ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa rezionaly mba hanafainganana ny fampiasana angovo azo avaozina sy ny fanovana ny rafi-pambolena amin'ireo firenena mpikambana ao amin'ny 𝐒𝐀𝐃𝐂. Hetsika hatao ao amin'ny Grand Amphi FAC EGS ny Alakamisy 14 Aogositra 2025 manomboka amin'ny 08 ora maraina. Arahinao mivantana amin'ny TVM sy amin'ny tambazotran-tserasera sosialy.