Actualités > ANDIANY FAHA-33 AMIN' NY HETSIKA ARA-...

ANDIANY FAHA-33 AMIN' NY HETSIKA ARA-PAHASALAMANA MITETY VOHITRA "SAROBIDY NY AIKO"

Niainga teo amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha androany ny andiany faha-33 amin'ny hetsika ara-pahasalamana mitety vohitra "Sarobidy ny aiko" izay eo ambany fitarihan-dRamatoa Mialy R. Rajoelina, vadin'ny Filohan’ny Repoblika. Hihazo ny Faritra Menabe handalo ao Antsirabe, Ankazomiriotra, Mandoto, Miandrivazo, Mahabo ary Morondava ny 16 hatramin’ny 25 Septambra 2025 izany "caravane médicale" izany. Ankoatra ireo fizaham-pahasalamana ankapobeny, ny mampiavaka ity andiany ity ny fandidiana  "cataracte" ary misy koa ireo tolotra vaovao toy ny fizahana manokana : "cardiologie", "dermatologie", "pédiatrie" sy "rhumatologie". Nambaran-dRamatoa Mialy Rajoelina fa manokatra varavarana ary manome fitsaboana mifanaraka amin'ny sokajin-taona rehetra ny « caravane médicale » : ho an'ireo zaza vaoteraka, ankizy, tanora, olon-dehibe, raim-pianakaviana, reny mitondra vohoka, ary tsy adino ihany koa ireo zokiolona. Notsiahiviny ihany koa fa raha tamin'ny andiany voalohany tamin'ny taona 2020 dia "clinique mobile" tokana no nampiasaina ary ankehitriny kosa dia fiarabe miisa 12 no miasa ary nahatratra 275 409 ny olona nisitraka izany tamin'ny andiany farany tamin'ny volana marsa 2025.Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka OMS Madagascar

ANDIANY FAHA-33 AMIN' NY HETSIKA ARA-PAHASALAMANA MITETY VOHITRA "SAROBIDY NY AIKO"
ANDIANY FAHA-33 AMIN' NY HETSIKA ARA-PAHASALAMANA MITETY VOHITRA "SAROBIDY NY AIKO"
ANDIANY FAHA-33 AMIN' NY HETSIKA ARA-PAHASALAMANA MITETY VOHITRA "SAROBIDY NY AIKO"
ANDIANY FAHA-33 AMIN' NY HETSIKA ARA-PAHASALAMANA MITETY VOHITRA "SAROBIDY NY AIKO"
ANDIANY FAHA-33 AMIN' NY HETSIKA ARA-PAHASALAMANA MITETY VOHITRA "SAROBIDY NY AIKO"
ANDIANY FAHA-33 AMIN' NY HETSIKA ARA-PAHASALAMANA MITETY VOHITRA "SAROBIDY NY AIKO"
ANDIANY FAHA-33 AMIN' NY HETSIKA ARA-PAHASALAMANA MITETY VOHITRA "SAROBIDY NY AIKO"
ANDIANY FAHA-33 AMIN' NY HETSIKA ARA-PAHASALAMANA MITETY VOHITRA "SAROBIDY NY AIKO"
ANDIANY FAHA-33 AMIN' NY HETSIKA ARA-PAHASALAMANA MITETY VOHITRA "SAROBIDY NY AIKO"
Publie le 16/09/2025 Par 451512 Categorie: Actualités