Traboina miisa 500 mahery sy ankizy mpianatra avy ao amin'ny fokontany Ankadirano eto Mananjary, no notolorana fanampiana sy kojakojam-pianarana avy amin'ny filohampirenena Andry RAJOELINA mivady androany, tamin'ny alalan'ny iraka manokana avy amin'ny Fitaleavana misahana ny raharaha sosialy eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika. Namangy ireo traboina tao amin'ny fokontany telo ihany koa ny delegasiona izay notarihin'ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina sady Minisitra mpiahy ny faritra Vatovavy, Ramatoa MARA Volamiranty Donna.Mitohy rahampitso Alakamisy ny fizarana fanampiana ho an'ny fokontany roa hafa. Ho avy tsy ho ela ny hazo sy ny tafo fanitso, ny simenitra avy amin'ny fitondram-panjakana ho zaraina amin'ireo niharan'ny hain-trano.