Ampahafantarina ny besimaro, ary indrindra isika mpampiasa sy manamorona ny Lalam-pirenen faha-02 na RN 2, fa nohon' ny fampiakarana ireo milina mpamokatra herinaratra ao amin’ny Tetik’asa 105 MW, andiany voalohany, avy any Toamasina ho aty Antananarivo, dia hisy fanelingelenana ny fifamoivoizana ny Talata 07 Oktobra hatramin’ny Alakamisy 09 Oktobra 2025 izao :Talata 07 Oktobra 2025 : Toamasina – Brickaville, amin’ny 5 Ora maraina hatramin’ny 6 Ora hariva ;Alarobia 08 Oktobra 2025 : Brickaville – Moramanga, amin’ny 5 Ora maraina hatramin’ny 6 Ora hariva ;Alakamisy 09 Oktobra 2025 : Moramanga – Antananarivo, amin’ny 5 Ora maraina hatramin’ny 6 Ora hariva.Amin’ny ampahan-dalana handalovan’ireo Vondron’ny Fiara Vaventy ireo na “Convoi Exceptionnel” dia hisy fepetra manokana hifehezana ny fifamoivoizana mba hanomezana lalana azy ireo.Hisy Fiara mpanokatra sy Mpamarana ny dian’izany Vondron’ny fiara vaventy izany.Hisy ny manampahefana mpitandro ny filaminana handrindra sy handamina ny fizotran’ireo Vondron’ny fiara vaventy ireo. Koa iangaviana isika rehetra hanaraka ny toromarika sy lamina izay omen’ny tompon’andraikitra eny an-toerana.Amin’ny alina, eo anelanelan’ny amin’ny 6 Ora hariva hatramin’ny 5 Ora maraina dia miato ny dian’ireo Vondron’ny Fiara Vaventy na "Convoi Exceptionnel ireo".Mametraka ny fialan-tsiny amin’izay mety ho fanelingelenana haterak’izany izahay.Omena miandalana eto ihany ny fepetra sy fotoana handalovan’ny andiany manaraka.