ActualitΓ©s > NY 19 OKTOBRA 2025

NY 19 OKTOBRA 2025


Tao aorinan'ny Synoda lehibe faha 20 notanterahana ny volana aogositra lasa teo, izay nifidianana sy nanendren'ny Fiangonan'i Jesosy Kristy eto Madagasikara ireo tompon'andraikitra hitantana ny foiben'ny FJKM ato anatin'ny fe-potoam-piasana vaovao, dia nisy ny 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐦𝐩𝐨𝐚𝐦-𝐩𝐒𝐯𝐚𝐯𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐨π₯𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐚𝐦𝐞𝐭𝐫𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐳𝐲 𝐒𝐫𝐞𝐨 teto amin'ny FJKM Ambohimalaza Firaisana Kanana vaovao.Tonga niara niombom-bavaka tamin'ireo mpino FJKM ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, 𝐊𝐨π₯𝐨𝐧𝐞π₯𝐲 𝐌𝐒𝐜𝐑𝐚𝐞̈π₯ π‘π€ππƒπ‘πˆπ€ππˆπ‘πˆππ€ sy Ramatoa vadiny, notronon'ireo mpiara mitantana sy ny tompon'andraikitra maro eo anivon'ny Fiangonana sy ny Firenena.Nitso-drano azy ireo ny Filoham-panjakana, ary nangataka ny Fiangonana izy hijoro sy hitsangana lalandava ho an'ny Firenena. Nangataka ihany koa izy ny amin'ny mba tsy hisalasalan'ireo Raiamandreny hanoro lalana sy hanitsy azy ireo raha sendra misy ny tsy mety. PrΓ©sidence de la Refondation de la RΓ©publique de Madagascar - PRRM

NY 19 OKTOBRA 2025
NY 19 OKTOBRA 2025
NY 19 OKTOBRA 2025
NY 19 OKTOBRA 2025
NY 19 OKTOBRA 2025
Publie le 21/10/2025 Par 451512 Categorie: ActualitΓ©s