Actualitรฉs > GOVERNEMANTAN' NY FANAVAOZANA NY REPO...

GOVERNEMANTAN' NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKAN AN' I MADAGASIKARA


๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’Œ๐’‚๐’”๐’Š๐’Œ๐’‚ ๐’๐’š ๐’‡๐’‚๐’๐’†๐’๐’…๐’“๐’†๐’๐’‚ ๐’Š๐’“๐’†๐’ ๐’Ž๐’‘๐’Š๐’Œ๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’‚๐’๐’‚ ๐’—๐’‚๐’๐’—๐’‚๐’ ๐’Š๐’›๐’‚๐’š ๐’Ž๐’‚๐’๐’…๐’“๐’‚๐’‡๐’Š๐’•๐’“๐’‚ ๐’๐’š ๐‘ฎ๐’๐’—๐’†๐’“๐’๐’†๐’Ž๐’‚๐’๐’•๐’‚.Nisy ny dinika niarahan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara tamin'ireo hery velona rehetra eto Madagasikara mialohan'izao fanendrena izao.Nomena roa volana ny mpikambana ao aminโ€™ny Governemanta mba hanatanteran'izy ireo ny politikam-panjakana fohy ezaka. Manana tamberinโ€™andraikitra ary ho takiana vokatra ny tsirairay, hoy ny Filohanโ€™ny Fanavaozana ny Repoblika, ka tsy maintsy hiroso amin'ny fanoloana ho an'ireo izay tsy mahavita izany.๐‘ฏ๐’‚๐’‡๐’‚๐’•๐’“๐’‚ ๐’‰๐’ ๐’‚๐’โ€™๐’Š๐’“๐’†๐’ ๐’Ž๐’Š๐’๐’Š๐’”๐’Š๐’•๐’“๐’‚ ๐’Ž๐’‚๐’๐’…๐’“๐’‚๐’‡๐’Š๐’•๐’“๐’‚ ๐’๐’š ๐‘ฎ๐’๐’—๐’†๐’“๐’๐’†๐’Ž๐’‚๐’๐’•๐’‚๐’โ€™๐’๐’š ๐‘ญ๐’‚๐’๐’‚๐’—๐’‚๐’๐’›๐’‚๐’๐’‚ ๐’๐’š ๐‘น๐’†๐’‘๐’๐’ƒ๐’๐’Š๐’Œ๐’‚Namela hafatra ho anโ€™ireo mpikambana ao aminโ€™ny governemanta ny Filohanโ€™ny Fanaovaozana ny Repoblika. Nambarany fa :โ€ข Mitaky vokatra sy fahendrena aminโ€™ireo mpikambana ao aminโ€™ny Governemanta ny vahoaka, mba ho mendrika ny fitokisana izay napetraka. โ€ข Mila manompo vahoaka fa tsy tompoina, ary mila mihaino ny feonโ€™ny vahoaka.โ€ข Tsy hisy ny fandeferana ho an'izay Tompon'andraikitra ara-panjakana tratra manao kolikoly na minia mbola manohy ireo fomba ratsy mambotry  Firenena. Ny tombotsoa ambonin'ny Firenena hatrany no mila katsahana.โ€ข Ho takiana ny fivoaranโ€™ny asa sy ny vokatra mivaingana avy aminโ€™ny asa ary tsy ho anโ€™ireo minisitra ihany fa ho anโ€™ny mpiasam-panjakana rehetra ihany koa.Nanao antso avo ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny amin'ny fandrasaina mendrika ny vahoaka malagasy rehetra tsy ankanavaka eny anivon'ny biraom-panjakana rehetra sy ireo Ministera : Aoka izay ny fiavonavonana amin'ny vahoaka malagasy amin'ny fandraisana azy ireo, hoy ny Filohanโ€™ny Fanavaozana ny Repoblika, ary aoka isika hampanaja ny lalร na velona sy hametraka fiaraha-miasa madio sy mahomby.ยฉ๏ธ Prรฉsidence de la Refondation de la Rรฉpublique de Madagascar - PRRM

Publie le 29/10/2025 Par 451512 Categorie: Actualitรฉs