©️ Ministère de la Population et des Solidarités de Madagascar Tokantrano miisa 11 991 ao amin'ny Distrika MIDONGY ATSIMO sy BEFOTAKA ATSIMO no mahazo tohana avy amin'ny Tetikasa ZARA MIRA. Tokantrano misy zaza sy olona manana fahasembanana ary vehivavy bevoka no misitraka izany ho fandraisan'ny fanjakana anjara amin'ny fampivoarana ny fiainan'izy ireo.Amafisina hatrany ny fanentanana mahakasika ny ady atao amin’ny herisetra, fanaovana kopia ho an'ny zaza, fitantanana ara-bola, fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ary fampianarana ireo ankizy.#MPS #UNICEF #UE #SAF_FJKM