Nandray ny asany nanomboka androany ny ๐บ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐ฑ๐๐๐๐๐๐๐ vaovao eo anivonโny Minisiteranโny Serasera sy ny Kolontsaina ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ข๐๐ซ๐ฒ, voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 19 Novambra lasa teo.Tsy vahiny aminโity minisitera ity ny tenany fa efa nisahana andraikitra ambony tao ihany taminโny fotoana tany aloha.๐ด๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐, ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐ eny anivonโny OniversitenโAntananarivo ny tenany mialoha izao nahavoatendry azy hisahana andraikitra eto anivonโny minisitera izao.Tontosa androany 25 Novambra tetsy aminโny Biraonโny minisitera ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny Sekretera Jeneraly teo aloha ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐ ๐๐ญ๐ซ๐, izay nitana io andraikitra io nanomboka ny taona 2024, taorianโny nitantanany ny andraikitra maha Tale Jeneralinโny Serasera azy nanomboka ny taona 2020.Tamim-pirahalahiana no nahatontosana ny lanonana natao androany teo aminโireo tomponโandraikitra roa tonta, izay samy mpanao gazety rahateo.Tonga nanotrona ity lanonana famindram-pitantanana ity ireo mpiara-miasa eo anivonโny Minisiteranโny Serasera sy ny Kolontsaina notarihinโny Minisitra GASCAR Fenosoa sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy.