Natao ny Talata 2 Desambra, ary narahin’ny olom-pirenena mivantana tamin’ny fahitalavitra nasionaly TVM sy ny radiom-pirenena malagasy Radio Madagasikara RNM 99.2 MHz ny fivoriana 𝐧𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐭𝐫𝐞𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐯𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚 teo amin’ny Antenimierandoholona sy ireo Minisitra mpikambana eo anivon’ny Governemanta ka isan’ireo niatrika izany fihaonana izany ny 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐒𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐊𝐨𝐥𝐨𝐧𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 GASCAR Fenosoa, notronin’ireo mpiara-miasa aminy.Ny fivoriana tahaka ity natao tetsy amin’ny Lapan’Anosikely ity dia natokana ho an’ny fanontanian’ireo Loholon’i Madagasikara sy ireo valiny avy amin’ireo Minisitra, ka izany dia tanterarahin’ny Antenimera mba hahafantarany ny asa sahanin’ny Governemanta araka ny voalazan’ny 𝑨𝒏𝒅𝒊𝒏𝒊𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂-102 amin’ny Lalàmpanorenana.