Andro vitsy mialohan’ny 𝑨𝒔𝒂𝒓𝒂𝒎𝒂𝒏𝒊𝒕𝒓𝒂, dia nitondra 𝒕𝒆𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒔𝒂𝒐𝒓𝒂𝒏𝒂 ho an’ireo mpiara-miasa eto anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina i 𝑮𝑨𝑺𝑪𝑨𝑹 𝑭𝒆𝒏𝒐𝒔𝒐𝒂, nandritra ny fotoana fananganan-tsaina natao androany, noho ny fiaraha-mientana nasehon’ny mpiasa tao anatin’izay fotoana roa volana voalohany niarahana niasa izay. Maro ny 𝙚𝙯𝙖𝙠𝙖 𝙫𝙞𝙩𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙞𝙖𝙨𝙖, ary nisy ny 𝙛𝙞𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖-𝙢𝙞𝙨𝙖𝙡𝙖𝙝𝙮 nanatanteraka ireo asa na teto anivon’ny foibe na tany amin’ireo Fitaleavam-paritra tsirairay ka mendrika ny ankasitrahana, na ny teo amin’ny tontolon’ny serasera sy ny haino aman-jerim-pirenena na teo amin’ireo asa ara-kolontsaina maro."𝙀𝙠𝙞𝙥𝙖 𝙞𝙧𝙖𝙮 miara-manatanteraka ny asa ho an’ny vahoaka sy ny Firenena", izay no lalan-tsaina apetraky ny Minisitra ankehitriny izay mamporisika ny mpiasa hatrany mba hametraka ho zava-dehibe ny asa-panjakana andrasan’ny vahoaka mpisitraka, sy hanome lanja mandrakariva ny tombontsoa iombonana.Etsy andaniny dia nohararaotin’ny Minisitra ity fotoana androany ity nitondrany 𝒕𝒆𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒓𝒂𝒓𝒊𝒂𝒏-𝒕𝒔𝒐𝒂 ho an’ireo mpiara-miasa rehetra hiatrika ny fiafaran’ny taona am-pilaminana sy mba ho tratry ny taona vaovao indray.
Alatsinainy 2 Martsa 2026