Tonga naneho fiaraha-miory, niondrika manoloana ny vata-mangatsiaka, sy nidodododo nankahery ny ankohonana sy ny fianakavian’ny 𝒏𝒂𝒎𝒂𝒏𝒂 RAZAFIMANANTANY Faniry, 𝑴𝒑𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒈𝒂𝒛𝒆𝒕𝒚, 𝑴𝒑𝒊𝒕𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂, teny amin’ny trano fonenany Ambohimangakely ny fianakaviamben’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina notarihin’ny Minisitra 𝑮𝑨𝑺𝑪𝑨𝑹 𝑭𝒆𝒏𝒐𝒔𝒐𝒂.Nandritra ny fotoana ela no niara-nisehatra tamin’ny asa fanaovan-gazety rahateo ny Minisitra sy i Faniry, ary nohamafisin’ny fiarahana nitolona teny an-kianja, na teo amin’ny fitakiana ny fahalalahana maneho hevitra na koa teo amin’ny tolona ho an’ny firenena.Mandria am-piadanana 𝒏𝒂𝒎𝒂𝒏𝒂 Faniry.