Actualités > FIATREHANA NY RIVODOZA GEZANY: MANAO...

FIATREHANA NY RIVODOZA GEZANY: MANAO ANTSO FIARAHA-MIENTANA NY MINISTERAN' NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA


Tamin’ny alalan’ny Tale jeneralin' ny serasera 𝑹𝑨𝑲𝑶𝑻𝑶𝑴𝑨𝑳𝑨𝑳𝑨 𝑭𝒂𝒍𝒚 𝑴𝒂𝒉𝒆𝒇𝒂𝒏𝒊𝒓𝒊𝒏𝒂, izay nivahiny tao amin’ny TVM ny maraina teo no nanaovan’ny 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 antso avo, 𝙖𝙣𝙩𝙨𝙤 𝙛𝙖𝙣𝙚𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 ireo haino aman-jery rehetra sy ireo namana mpanao gazety mba 𝙝𝙞𝙖𝙧𝙖𝙠𝙖 𝙝𝙞𝙛𝙖𝙧𝙞𝙢𝙗𝙤𝙣𝙖 amin’ny 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝗮𝗺-𝗯𝗮𝗼𝘃𝗮𝗼,𝘀𝘆 𝗳𝗶𝘇𝗮𝗿𝗮𝗺-𝗯𝗮𝗼𝗯𝗮𝗼 mahakasika ny 𝙧𝙞𝙫𝙤𝙙𝙤𝙯𝙖 𝙂𝙚𝙯𝙖𝙣𝙞 mba ho fanampiana ny mpiray tanindrazana.Matanjaka i Gezani ka zava-dehibe ny fanomezam-baovao avy amin’ny rehetra mba ahafahana mifanome tanana ao anaty vanim-potoana sarotra toy izao.Tsahivina fa anio Talata 10 febroary 2026 tolakandro no tombanana hiditra an-tanety ao amin’ny distrikan’i Toamasina II ity rivodoza mahery vaika ity ka anantitranterana ny 𝙖𝙣𝙩𝙨𝙤 𝙛𝙖𝙣𝙚𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 ny mpisehatra amin’ny serasera mba hifanampy amin’ny fampitana vaovao.

FIATREHANA NY RIVODOZA GEZANY: MANAO ANTSO FIARAHA-MIENTANA NY MINISTERAN' NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA
Publie le 12/02/2026 Par 451512 Categorie: Actualités