Actualités > FAMELOMAN’ AINA HO AN’ IREO VAKO-PIRE...

FAMELOMAN’ AINA HO AN’ IREO VAKO-PIRENENA


Notanterahana ny maraina teo teny amin’ny Rovan’i Madagasikara, ny fambolena hazo zanatany miisa 150, izay teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Governoran’ny faritra Analamanga ary ny CRM na ny Communauté Royale de Madagascar.

Nosafidiana manokana ny teny amin’ny Rovan’i Madagasikara izay ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina no nanao ny haitarika izao fambolen-kazo izao teny an-toerana, nangalana ny lohahevitra hoe ”Ny ala, antoky ny rano sy ny angovo”

Nanentana ny rehetra ramatoa minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Mara Volamiranty Donna mba ho sarotiny amin’ny fikajiana ireo harembakompirenena manerana ny Nosy.

FAMELOMAN’ AINA HO AN’ IREO VAKO-PIRENENA
Publie le 25/02/2025 Par 451512 Categorie: Actualités