F๐๐ฆ๐ฉ๐๐ก๐๐๐๐ง๐ญ๐๐ซ๐๐ง๐ ๐๐ฆ๐ข๐งโ๐ง๐ฒ ๐๐ง๐ค๐๐ฉ๐จ๐๐๐ง๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐ฆ๐๐ง๐จ๐๐ข๐๐ข๐ง๐ ๐ง๐ฒ ๐๐ข๐ก๐๐จ๐ง๐๐ง๐ ๐๐ง-๐ญ๐๐ฆ๐ฉ๐จ๐ง๐ฒ ๐๐๐ก๐ ๐๐ ๐งโ๐ง๐ฒ ๐๐๐๐ ๐๐ง๐ข๐จ ๐๐ ๐๐จ๐ฅ๐๐ฒ ๐๐๐๐.Notanterahina androany ny fampahantarana ofisialy ireo fandaharam-potoana sy ny tetiandro mandritra ny fihaonana an-tampony faha 45 nโny SADC izay hatao eto Madagasikara ny 3 hatramin'ny 18 Aogositra 2025.Ivon'ity fihaonana iraisam-pirenena ity ny fitarihan'ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina ny Vondrona SADC.Nitondra fanazavana manoloana ny mpanao gazety tetsy amin'ny foibe fandrindrana ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny SADC tetsy amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina MARA Volamiranty Donna, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny RAFARAVAVITAFIKA Rasata ary ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, CHAMONAH Loulla. Nandritra izany no nampahafantarana sy namelabelarana ny lohahevitry ny fihaonana dia "Promouvoir l'industrialisation, la transformation agricole et la transition รฉnergรฉtique pour une SADC rรฉsiliante " Hisy ihany koa ny kaonferansa iraisam-pirenena lehibe hatao eny anivon'ny Oniversiten'Antananarivo hiarahana amin'ireo manam-pahaizana sy ireo mpikaroka malagasy sy vahiny izay hetsika eo ambany fiahian'ny Filohan'ny Repoblika, Andry RAJOELINA.Sambany eo aminโny tantaranโi Madagasikara ny hampiantrano io fihaonana an-tampony izay andraisanโny firenena 16 anjara io ary maro ny tombontsoa hositrahanโny vahoaka Malagasy aminโizany. Tanjona ny hampahafantarana ny zava-bitanโny SADC, hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-paritra na amin'ny lafiny fifanakalozana ara-barotra, ny fametrahana fandriampahalemana, fampiroboroboana ny indostria, fanatsarana ny fambolena, ary hanohanana ny fikarohana eny aminโny anjerimanontolo.