Anisan'ny teboka noresahin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina MARA Volamiranty Donna , nandritra ny fivahinianany tao amin'ny fandaharana 𝗦𝗮𝘃𝗮𝗿𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮 Radio Madagasikara RNM 99.2 MHz ny mahakasika ny resabe mandeha dia hanaovan'ny Filohampirenena "3 ème mandat", nilaza izy fa olona tsy mitsahatra mikatsaka ny hanatsarana an'i Madagasikara Andriamatoa Filoha Andry Rajoelina. Matoky ny fanapahan-kevitra ho raisiny isika izay fanapahan-kevitra mahasoa ny vahoaka Malagasy. Hatreto dia mbola mifantoka tanteraka amin'ny asa fampandrosoana ny fitondram-panjakana tarihiny. Notsiahivin-dRamatoa Minisitra fa betsaka ny fotodrafitrasa vita ary mila tsy ho araka ny fitokanana izany. Manampy izany, mijery manokana ny sosialim-bahoaka sy ny laharam-pamehana ny fitondram-panjakana ny amin'izay asa fampandrosoana izay, ao anatin'izay ny "Caravane Médicale", ny fitsinjovana ny fidiran'ny mpianatra, ny fametrahana ilay fitaovana lehibe hanampy tosika ny angovo, ny fanampiana ny mpiara-belona amin'ny fizarana tosika entina anohanana ny vahoaka sy anamaivanana ny fiatrehany ny fiainana andavan'andro.Ankoatra izay, noresahina ihany koa ny mahakasika ny andro manerantany ho an'ny demokrasia. Nilaza izy fa tany demokratika i Madagasikara ary amin'ny alalan'ny fifidianana no sehatra voalohany hahafahana manamafy izany, toy ny fifidianana Loholona ho avy.Notsindrian-dRamatoa Minisitra manokana fa ny fiarahamonimpirenena dia tsy tokony hanao politika velively. Ny fitarihana olona hidina an-dalambe amin'ny endriny rehetra dia fanohintohinana ny filaminam-bahoaka ka tsy azo ekena. Nilaza izy fa eto Madagasikara dia malalaka ny fanehoan-kevitra ary mbola tsy nisy fikasana hanakatona tambajotran-tserasera toy ny any amin'ny firenena hafa, eny na ny haino aman-jery ihany koa, na dia eo aza ireo minia mandrangitra, manely tsaho, manopa eo anivon'ny tambajotran-tserasera.Nampahafantariny fa fifampitaizana no hatao ary raisina ny fepetra rehefa misy tranga fanalam-baraka olona sy ny fanelezana vaovao tsy marina ary fandikan-dalàna amin'ny fampiasana izany.Nanazava ihany koa Ramatoa Minisitra fa ny fanapahan-kevitra raisin'i Madagasikara dia lasa fitaratra ankehitriny toy ny amin'ny resaka "Castration chirurgicale" izay na ny firenen-dehibe hafa aza dia nisafidy izany vao tsy ela. Na dia nisy aza ny nanao eson-teny tany am-piandohana dia ankehitriny kosa dia tsapa fa mahomby izany amin'ny ady hatao amin'ny fanolanana zaza tsy ampy taona. Izany dia ny vokatry ny fitsinjovan'Andriamatoa Filoha mivady ny Malagasy, ny zaza satria tsapa fa tena manimba olona, fiainan'olona ary tena mamoafady ny tranga fanolanana.