Actualités > NAMIRATRA I MADAGASIKARA TAMIN' NY WA...

NAMIRATRA I MADAGASIKARA TAMIN' NY WAKE UP SESSION 2025 TAO AMIN' NY FESTIVAL BOUGE - NOSY MAORISY

Ny 13 Septambra 2025, dia natao tao amin’ny Nosy Maorisy ny fifaninanana lehibe Wake Up Session, izay anisan’ny fifaninanana goavana indrindra amin’ny kolontsaina an-dalambe eto amin'ny Ranomasimbe Indianina. Nandray anjara tamin’izany ireo firenena maro manerana ny faritra sy eran-tany. Nisongadina ny solontenan’i Madagasikara tamin’ity andiany 2025 ity izay nahitana an'i :- René, tompondaka tamin’ny sokajy Afro Styles.- Andoniaina, tompondaka tamin’ny Hip Hop Freestyle.- Bibrock, fahatelo tamin’ny Breaking.Ireo mpandihy telo ireo dia naneho tamim-pireharehana sy talenta ny sangan’asa malagasy ary nampita ny hafatry ny Wake Up Session : mampifoha saina, manome lanja ny kolontsaina ary mampiray ny vahoaka amin’ny alalan’ny dihy. Ny fandraisana anjaran’izy ireo sy ny fandreseny dia vokatry ny fiaraha-miasa sy fanohanana avy amin’ny Fédération Hip Hop et Culture Urbaine sy ireo mpiara-miombon’antoka toy ny NA Entertainment, Hip Hop Works Madagascar, Independent Reporter ary Ndjara Dance Company.

NAMIRATRA I MADAGASIKARA TAMIN' NY WAKE UP SESSION 2025 TAO AMIN' NY FESTIVAL BOUGE - NOSY MAORISY
NAMIRATRA I MADAGASIKARA TAMIN' NY WAKE UP SESSION 2025 TAO AMIN' NY FESTIVAL BOUGE - NOSY MAORISY
NAMIRATRA I MADAGASIKARA TAMIN' NY WAKE UP SESSION 2025 TAO AMIN' NY FESTIVAL BOUGE - NOSY MAORISY
NAMIRATRA I MADAGASIKARA TAMIN' NY WAKE UP SESSION 2025 TAO AMIN' NY FESTIVAL BOUGE - NOSY MAORISY
Publie le 16/09/2025 Par 451512 Categorie: Actualités