Tonga nihaona tamin’ Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny 𝐊𝐨𝐥𝐨𝐧𝐞𝐥𝐲 𝐌𝐢𝐜𝐡𝐚𝐞̈𝐥 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐈𝐑𝐈𝐍𝐀, ny Ambasadaoron’i Frantsa miasa sy monina eto Madagasikara androany 23 Oktobra 2025.Taorin'izay dia noraisin' Andriamatoa Praiministra Lehiben'ny Governemanta malagasy Herintsalama RAJAONARIVELO ihany koa it masoivohon'i Frantsa ity.Nandritra ireo fihaona indroa miatoana ireo dia naneho firarian-tsoa amin'ny andraikitra miandry azy ireo avy ny Ambasadaoron'i Frantsa.Nanamafy ny Ambasadaoro nandritra ireo fifanakalozan-kevitra fa manan-danja loatra amin'i Frantsa ny fifandraisana amin'i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy. Nampahafantariny nandritra izany koa ireo tetikasa maro ataon'i Frantsa eto Madagasikara, toy ny amin'ny lafiny Rano fisotro sy ny herinaratra, ny fanabeazana, fiofanana ary ny ady amin'ny kolikoly.Nisongadina tao anatin'izao fihaonana izao fa hanao tolo-kevitra vaovao i Frantsa amin'ny herinandro ho avy momba ireo fiaraha-miasan'ny firenena roa tonta, miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena.Nifantoka ihany koa ny resaka tamin'ny fanamby ara-politika sy ny fivoaran'ny demokrasia, ka nanentana ny Ambasadaoro ny hanajàna ny hetahetan'ny tanora sy ny fiarahamonina sivily.Ambassade de France à Madagascar