Nandrombaka ny amboara "Meilleur reportage Science TV" tamin'ny fifaninanana nokarakarain'ny AUB–UAR (fivondronan'ireo fahitalavi-pirenena aty Afrika) ny TVM tamin'ny alalan'i 𝐅𝐚𝐛𝐢𝐞𝐧𝐧𝐞 𝐀𝐍𝐃𝐎𝐌𝐀𝐋𝐀𝐋𝐀 . I Fabienne izay mpanao gazety sady mpanatontosa fandaharana eto amin'ny TVM , nahafantarana azy ny fandaharana TOLOTRA SY TINADY. Horonantsary fanadihadiana 20 minitra mitondra ny lohateny hoe "Madagascar, l’île réservoir des plantes médicinales et aromatiques” no nentiny tamin'ny fifaninana ka nahazoany io amboara io. Fanadihadiana maneho fa manan-karena i Madagasikara raha ireo karazan-java-maniry entina hitsaboana misy eto amintsika. Izy io izay nanomboka niroborobo nandritra ny ady tamin'ny valanaretina COVID-19.Azonao jerena ato anatin'ity rohy ity ny horonantsry fanadihadiana manontolo: https://youtu.be/sIXuLunQVpA?feature=shared