Noraisin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina 𝐆𝐀𝐒𝐂𝐀𝐑 𝐅𝐞𝐧𝐨𝐬𝐨𝐚 tetsy amin’ny birao fiasany ny 𝑀𝑎𝑠𝑜𝑖𝑣𝑜ℎ𝑜𝑛’𝑖 𝑆𝑖𝑛𝑎 miasa sy monina eto Madagasikar 𝐉𝐈 𝐏𝐢𝐧𝐠, izay tonga nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana.Nanotrona ny Minisitra nandritra ity fihaonana ity ny Sekretera Jeneralin’ny minisitera 𝐑𝐀𝐒𝐎𝐋𝐎𝐅𝐎𝐀𝐑𝐈𝐉𝐀𝐎𝐍𝐀 𝐌𝐢𝐚𝐫𝐲.Hisy ny 𝒇𝒊𝒇𝒂𝒏𝒂𝒌𝒂𝒍𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒓𝒂-𝒌𝒐𝒍𝒐𝒏𝒕𝒔𝒂𝒊𝒏𝒂 eo amin’ny firenena roa tonta, ary koa ny fanohanan’i Sina ny sehatry ny kolontsaina malagasy.Voaresaka nandrintra ity 𝑓𝑖ℎ𝑎𝑜𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑣𝑜𝑎𝑙𝑜ℎ𝑎𝑛𝑦 ity ihany koa ny fahavononan’i Sina hanohana ny lafiny serasera amin’ny alalan’ny fanamafisana fahaiza-manao ho an’ireo mpisehatra amin’ny serasera amin’ny Radio sy Fahitalavi-pirenena, ary koa ny fanohanana ara-pitaovana ny haino amanjery nasionaly. Le Ministre de la Communiction et de la Culture, accompagné de son Secrétaire Général, a reçu ce matin l’Ambassadeur de Chine à Madagascar SEM Ji Ping.Des échanges culturelles entre les deux pays amis, et le renforcement de capacité pour les acteurs de communication des médias publics pour améliorer la qualité de services de la radio et de la télévision nationale, ainsi que des appuis matériels des médias publics ont été discutés lors de cette première rencontre en vue d’une meilleure collaboration.