Actualités > NAHAZO NY ANJARA FAMPITAOVANA IHANY K...

NAHAZO NY ANJARA FAMPITAOVANA IHANY KOA NY DISTRIKAN’AMBATOBOENY.

𝑽𝒐𝒂𝒗𝒂𝒉𝒂 𝒏𝒚 𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂 ho an’ny Delegasionin’ny Serasera ao amin’ny Distrikan’𝘈𝘮𝘣𝘢𝘵𝘰𝘣𝘰𝘦𝘯𝘺 rehefa nahazo 𝒇𝒂𝒎𝒑𝒊𝒕𝒂𝒐𝒗𝒂𝒏𝒂 𝒗𝒂𝒐𝒗𝒂𝒐 isan-karazany avy amin’ny 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙎𝙚𝙧𝙖𝙨𝙚𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙆𝙤𝙡𝙤𝙣𝙩𝙨𝙖𝙞𝙣𝙖.« 𝑀𝑖𝑐𝑟𝑜 𝑠𝑡𝑢𝑑𝑖𝑜, 𝑎𝑛𝑡𝑖-𝑝𝑜𝑝 02, 𝑇𝑎𝑏𝑙𝑒 𝑑𝑒 𝑚𝑖𝑥𝑎𝑔𝑒 6 𝑝𝑖𝑠𝑡𝑒𝑠, 𝑂𝑟𝑑𝑖𝑛𝑎𝑡𝑒𝑢𝑟 𝑑𝑒 𝑏𝑢𝑟𝑒𝑎𝑢 𝑐𝑜𝑚𝑝𝑙𝑒𝑡 , 𝐼𝑚𝑝𝑟𝑖𝑚𝑎𝑛𝑡𝑒 , 𝑂𝑛𝑑𝑢𝑙𝑒𝑢𝑟 850 𝑉𝐴 , 𝑆𝑝𝑒𝑎𝑘𝑒𝑟 𝐸𝑑𝑖𝑓𝑖𝑒𝑟, 𝑇𝑎𝑏𝑙𝑒 𝑑𝑒 𝑏𝑢𝑟𝑒𝑎𝑢, 𝐴𝑟𝑚𝑜𝑖𝑟𝑒 𝑑𝑒 𝑏𝑢𝑟𝑒𝑎𝑢, 𝐶ℎ𝑎𝑖𝑠𝑒, 𝐶ℎ𝑎𝑖𝑠𝑒 𝑣𝑖𝑠𝑖𝑡𝑒𝑢𝑟 , 𝐶ℎ𝑎𝑖𝑠𝑒𝑠 𝑑𝑒 𝑏𝑢𝑟𝑒𝑎𝑢 02». Ireo no fitaovana natolotra ny 30 desambra tao an-toerana ho an’ity ratsamangaikan’ny Minisitera ao 𝘈𝘮𝘣𝘢𝘵𝘰𝘣𝘰𝘦𝘯𝘺 ity.Tanjona ny hamahana ny olana amin’ny lafiny 𝒇𝒊𝒕𝒂𝒐𝒗𝒂𝒏𝒂 𝒆𝒏𝒕𝒊-𝒎𝒊𝒂𝒔𝒂 𝒆𝒏𝒚 𝒊𝒇𝒐𝒕𝒐𝒏𝒚 mba hahafahan’ireo mpiasa manatanteraka ny asany, sy mba hahafahan’ny vahoaka misitraka ny fizaram-baovao, ary koa manaraka ireo fandaharana samihafa atolotry ny haino aman-jerim-pirenena 𝗧𝗩𝗠 sy 𝗥𝗡𝗠 manerana ny Nosy raha ny nambaran’ny Minisitra 𝑮𝑨𝑺𝑪𝑨𝑹 𝑭𝒆𝒏𝒐𝒔𝒐𝒂.Tonga tany an-toerana nanatrika ny fandraisana ireo fitaovana sady nisolo tena ny Minisitera ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Boeny RAFARAHARINIVO Tantely Fanja Olivia, izay nampita ihany koa ny teny fisaorana avy amin’ny Minisitera ho an’ny Solombavambahoaka RANDRIANARIVO Edwin tamin’ny nandraisany an-tanana ny fitanterana ireo fitaovana nianga avy any Antananarivo.Nanotrona ity fotoana ity sady nankasitraka ny ezaka 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙫𝙖𝙤𝙯𝙖𝙣𝙖 avy amin’ny 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙎𝙚𝙧𝙖𝙨𝙚𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙆𝙤𝙡𝙤𝙣𝙩𝙨𝙖𝙞𝙣𝙖 ireo tompon’andraiki- panjakana nahitana ny lehiben'ny Distrikan' 𝘈𝘮𝘣𝘢𝘵𝘰𝘣𝘰𝘦𝘯𝘺 sy ny Ben’ny Tanàna ao an-toerana ary ireo tompon’andraikitra samihafa.

NAHAZO NY ANJARA FAMPITAOVANA IHANY KOA NY DISTRIKAN’AMBATOBOENY.
NAHAZO NY ANJARA FAMPITAOVANA IHANY KOA NY DISTRIKAN’AMBATOBOENY.
NAHAZO NY ANJARA FAMPITAOVANA IHANY KOA NY DISTRIKAN’AMBATOBOENY.
NAHAZO NY ANJARA FAMPITAOVANA IHANY KOA NY DISTRIKAN’AMBATOBOENY.
NAHAZO NY ANJARA FAMPITAOVANA IHANY KOA NY DISTRIKAN’AMBATOBOENY.
NAHAZO NY ANJARA FAMPITAOVANA IHANY KOA NY DISTRIKAN’AMBATOBOENY.
NAHAZO NY ANJARA FAMPITAOVANA IHANY KOA NY DISTRIKAN’AMBATOBOENY.
NAHAZO NY ANJARA FAMPITAOVANA IHANY KOA NY DISTRIKAN’AMBATOBOENY.
NAHAZO NY ANJARA FAMPITAOVANA IHANY KOA NY DISTRIKAN’AMBATOBOENY.
Publie le 05/01/2026 Par 451512 Categorie: Actualités